Asa aloha raha tsy dia mahafehy loatra ny tambajotra « facebook » ity ranamana iray ity na fa dia tra-tehaka noho ny ratsy nataony izy ary nampidirina am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy. Nisora-panambadiana indroa ity lehilahy iray ary tsy nisalasala izy nandefa ny sarin’izy roa mpivady vao tamin’ny « facebook ». Araka ny fantatra anefa dia tsy mbola maty akory ny soratra tamin’ny vadiny taloha. Araka ny tantara, ny taona 2012 no fantatra fa nisoratra ara-panjakana ara-dalàna tamin’ny vadiny voalohany ity lehilahy ity, tao Andranomanelatra. Taty aoriana anefa noho ny tsy fifankahazoana dia nisaraka izy ireo ka samy nanana ny fiainany. Tsy novonoina kosa anefa ny soratra ara-panjakana. Tojo vehivavy hafa ranamana taty aoriana ary tsy nisalasala nampiakatra azy ho vady indray ary niroso tamin’ny soratra ny taona 2017. Naparitaka tamin’ny tambajotra « facebook » ny sarin’izy roa kely vita raharaha. Samy nandefa sary avokoa na ny lahy na ny vavy. Hitan’ilay vadiny taloha tamin’ny pejy « facebook » anefa ny sary sy ny vaovao ka dia nametraka fitoriana rakalekely. Nosamborina avy hatrany izy roa kely, toarian’ny fanadihadiana natao taminy dia notanana am-ponja vonjimaika ralehilahy, ilay vady vao kosa navotsotra noho ny fitaka be vava nahazo azy.
Andry N.