“Sahin’ireo mpibizina nandefa ireo vehivavy malagasy nofitahina noho ny tsy fananany ve izao ny mijery fitaratra sy ny fianakavian’ireo vehivavy ary ireo Malagasy mpiray tanindrazana aminy, amin’ny manjo ireo vehivavy nofitahina nalefa hovonoina sy ampijaliana lavitry ny fianakaviany any Koweit ireo…” izay no nambaran’ity ramatoa iray manana havana mijaly tsy tafody any Koweit, izay nihevitra ny hitady vola kinanjo fahoriana isan’andro no iainana. Nomarihany ihany niaraka tamin’ny porofo, araka ny fampitam-baovao ataon’ireo mpiasa vavy malagasy sasany any an-toerana, fa tovovavy malagasy iray no hita faty efa nivaingana tao anaty vata fampangatsiahana. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia ny volana oktobra ny taona lasa no nitrangan’ity tranga famonoana olona ity, satria tamin’io fotoana io no niala tao amin’ilay trano ny mpampiasa ity tovovavy ity, ka nafindra avokoa ny entana afa-tsy ity vata fampangatsiahana ity ihany. Ilay mpanofa ny trano vaovao no gaga nahita izany sy nanokatra azy ka nahitana ity tovovavy malagasy maty efa nivaingana tao anatin’izany. Tsy fantatra ny nandefasana ilay fatin’ilay tovovavy malagasy, fa raha ny zava-misy aloha dia tsy nalefa aty Madagasikara izany faty izany, hoy hatrany ny angom-baovao natao. Ankoatra izay, araka ny nambaran’ity ramatoa ity amin’ireo loharanom-baovaony any amin’ireo Malagasy miasa any Koweit ireo, fa tsy latsaky ny vehivavy malagasy 80 nalefa hiasa any no nampidirina am-ponja noho ny antony tsy mazava sy noho ny fitakiana karama tsy omen’ny mpampiasa azy ireo. Manodidina ny 16 kosa no marary saina noho ny fahavoazana mahazo azy ireo araka asa sy ny fampijaliana andro aman’alina ataon’ny mpampiasa ihany koa.
Malala Didier