- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAntsiafabositra Maevatanana : Rangahy maty voatifitra, niboraka ny tsinainy

Antsiafabositra Maevatanana : Rangahy maty voatifitra, niboraka ny tsinainy

Efa manomboka malilo ny sofina amin’ny fandrenesana fanafihana mitam-basy ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Mandray andraikitra ny mpitandro ny filaminana saingy toa tsy mahasakana ny fanohizan’ny mpanao ratsy ny asany izany. Vao tsy ela akory izay fa tamin’ny Zoma 16 Febroary lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina, dia raim-pianakaviana iray no voatifitry ny jiolahy teo amin’ny fony ary niboraka tsinay. Tao amin’ny fokontany Taninandro, Kaominina Antsiafabositra, disitrikan’i Maevatanàna. Araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana, enin-dahy nitondra basy « Kalachnikov telo» no nanafika io rangahy efa ho 50 taona mahery io. Avy hatrany dia nopoirin’izy ireo ny varavaran’ny trano,  vatany vao tafiditra ireo malaso dia nivoaka ny trano io raim-pianakaviana ka tonga dia voatifitra. Bala iray no niantefa tany amin’ny fony ka niboraka ny tsinainy. Namoy ny ainy vokatr’izany ity farany. Ny tena nahagaga dia tsy nisy lasan’ ireo mpanafika ny omby tao am-bala sy ny entana maromaro tao an-trano. Taorian’izay vao nampandre ny mpitandro ny filaminana ny vady aman-janany ary efa misokatra ny fanadihadiana makasika ity vono olona ity, araka ny fampitam-baovao voarainay omaly.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici