- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Bolabolana andramena 35 isa saron’ny zandary

Antsirabe : Bolabolana andramena 35 isa saron’ny zandary

Saron’ny zandary avy amin’ny BRP eto Antsirabe ny bolabolana andramena  saika halefa ao Ambositra. Ny Sabotsy 17 Febroary  teo nandritra ny asa fanao mahazatra, fitsirihiana sy fisavana ireo fiara mivezivezy amin’ny lalam-pirenena faha 7 iny, no nahatratrana ireto hazo sarobidy ireto. Fiara Sprinter iray mpitatitra manao zotra Antsiraba-Ambositra no nahatratrarana azy ny Sabotsy tokony ho tamin’ny 2 ora antoandro. Nozarazarana natao anaty gony miisy 7 ireo andramena ireo ary nafatotra  teo ambon’ilay  fiara. Tsy lasa lavitra fa teo Vinaninkarena dia nandalo fisavana  ka io nahatratrarana azy io. Miisa 35 ny isan’ny bolabolana andramena, mirefy 50 ka hatramin’ny 95cm  ny halavany, 10 – 25 cm ny savaivony ary milanja 380 kg ny fitambarany.  Araka ny fanazavan’ny tompon’andrikitra teo anivon’ny zandary BPR dia teo Vatofotsy no nambaran’ilay mpamily ny fiara fa nandraisana ireo hazo ireo. Tsy tazana teo ny tompony fa toy ireny “colis” napetraka  ireny ny entana ka naka azy sisa nataon’ny mpamily.  Tany am-boalohany dia efa nilaza tamin’ny mpamily  ny tompon’entana fa sisan-kazo ireo entana ireo ka tsy ilaina taratasy intsony ary io nentiny io.  Nanamafy anefa ny zandary fa efa voararan’ny lalana nanomboka ny 2010 ny fanapahana sy fitaterana bolabolan’andramena. Fantatra fa avy tao Morondava no niavian’ireo hazo sarobidy ireo.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici