Raikitra ny ady teo amin’ny samy dahalo, ny Alatsinainy 12 Febroary lasa teo. Izay nitranga tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antsakomirafy, fokontany Ambatomainty, distrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka. Dahalo iray antsoina hoe Randrianjakamanana Filbert na Fily no maty voatifitry ny namany, teny an-tsaha. Ny anton’ny fifandonana moa araka ny fampitam-baovao voaray tamin’ Atoa Zanelisy Armand lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria eto Bestiboka, dia nahazo omby maromaro i Fily rehefa avy namaky tanàna, ka nifanehitra tamin’ireto dahalo namany izay niteny hoe aleo hozaraina, namaly no sady niteny Fily hoe : tsy misy an’izany fa ianareo angaha no reraka tamin’ity. Raikitra ny ady, rehefa maty voatifra i Fily dia nalain’ireo dahalo namany ilay omby niadiana. Rehefa nataon’ny Zandary ao Tsaratanàna ny fizahana ny razana, dia feno ratra sy potiky ny bala ny vatany iray manontolo, ary efa tsy nisy sofina roa intsony ilay dahalo. Izay voalaza fa noborian’ny fokonolona efa ela satria matetika tratran’olona mangalatra omby izy, ka izay no nahatonga ny sofiny ho bory. Marihina moa, fa dahalo ikoizana sy matetika miditra am-ponja i Fily araka ny loharanom-baovao voarainay hatrany. Herinanadro talohan’ity tranga tao Antsokomirafy ity, dia dahalo iray ihany koa no maty tao amin’ny fokontany Antsirasira, kaominina Betrandraka, dsitrikan’iTsaratanàna ihany. Ilay dahalo antsoina hoe Njarabe indray no maty notifirin’ny namany. Niady basy « Kalachnikov» izy ireo, ilay lehiben’ny dahalo antsoina hoe Del no namono azy, satria samy te-hahazo an’ilay basy izy ireo. Maty voatifitra teo amin’ny sorony ilay dahalo niady basy.
Ratantely