- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Vehivavy hita faty, voatsatoka hazo ny fivaviany

Maevatanàna : Vehivavy hita faty, voatsatoka hazo ny fivaviany

Vehivavy iray no maty notsatohana hazo ny fivaviany ary rapan’ny vono izy io, ka namoy ny ainy. Tao amin’ny fokontany Andranomangatsiaka, kaominina Maevatanàna voalohany, ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny 06 ora maraina, no hitan’olona teo akaikin’ny biraon’ny Borigady. Araka ny fanazavan’ireo olona nahita izany dia novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay vehivavy, izay monina ao amin’ny fokontany Ambatofotsy. Mbola nisy hazo niraikitra moa tao amin’ny mahavehivavy azy, izay inoana fa antony niteraka ny fahatesany. Raha ny fahitàna ny zava-nitranga ihany koa dia azo heverina fa niharan’ny fanolànana ity vehivavy ity, izay vao novonoin’ireo tsy valahara. Saingy hatreto dia mbola andrasana ny valin’ny fanadihadiana.  Nidina teny an-toerana ny Zandary avy eto Maevatanàna sy ny dokotera nanao ny fizahana ny razana. Efa nalain’ny fianakaviany avy ao Ambatofotsy moa ny razana. Ny Zandary avy ao amin’ny GAPJ no manao ny fanadiahadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici