- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAlan’Ankazomivady-Ambositra : Fanokafana ny fotoam-pambolen-kazo sy ady amin’ny fisorohana ny ...

Alan’Ankazomivady-Ambositra : Fanokafana ny fotoam-pambolen-kazo sy ady amin’ny fisorohana ny aretina pesta

Ny  alan’Ankazomivady, ao anatin’ny distrikan’Ambositra, no nofidian’ny faritra Amoron’i Mania ny zoma 16 febroary lasa teo, nanatontonsana ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny  fotoam-pambolen-kazo, ka zanakazo kininina miisa 4000 no novolena tamin’izany ao anatin’ny velaran-tany 2 ha. Nosoritan’ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ny ala ary ny haivoara, Abodo Randrianasolo Paul, fa efa indroa izao no nisian’izao ezaka izao eto Ankazomivady, noho izy ala voakilasy  sady tratran’ny fahasimbana. Ankoatra izay, dia natao ihany koa izao hestika izao, ho fisorohana ny aretina pesta vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana.  Izao hetsika izao, dia tafiditra ihany koa ao anatin’ny programan’ny faritra amin’ny fambolen-kazo ao anatin’ny velarantany midadasika, ka mitohy ny ezaka, hoy ny lehiben’ny faritra Amoron’i Mania, Rakotomanankiafarana Joêl. “Fambolen-kazo mahomby, antoky ny fiarihana ara-toekarena maharitra” . Io no  lohateny netina nanamarika izao hetsika izao. “Ilaina ny fikajiana ny tontolo iaina, noho izy ahitana tombontsoa betsaka ho an’ny fiainan’ny olombelona”, hoy Rtoa Rasoazananera Marie Monique, ministry ny fampianarana ambony sady, mpiahy ny faritra Amoron’i Mania. Nampirisika ireo mpianatra ny ministra Rasoazananera, mba ho tia mikajy ny tontolo iainana amin’ny alalàn’ny fambolen-kazo, ka nampanantena fa homena fitaovana ireo sekoly manodidina. Noho ny maha betsaka ireo sampandraharam-panjakana sy tsy miankina miditra ao anatin’ny sehatry ny fambolen-kazo amin’izao fotoana izao eto amin’ny faritra Amoron’i Mania, dia niangavy ireo mpisehatra ireo Abodo Randrianasolo Paul, mba hisian’ny fandraisana anjara amin’ireo fambolena ny zana-kazo ho fiarahana misalahy.

Anastase

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici