Maro amin’ireo tokantrano mpanjifan’ny Jirama eto Toliara sy ny manodidina no voafitaka, ka velon-taraina sady tezitra noho ny fidangan’ny vidin-jiro tampoka misy amin’izao, ary misy tafakatra hatrany amin’ny 80% ho an’ny mpanjifa mampiasa ny « tarif 16 », kanefa ny herinaratra tapaka lava. « Raha 50 000 Ariary isam-bolana eo ho eo ny vidin-jironay, dia lasa 90 000 Ariary mihoatra amin’izao, satria fisondrotana 10 ka hatramin’ny 15% no noresahina. Fitaka bevava anefa no misy, fa tsy arakaraka izay ity fisondrotana tsy nampoizina velively ity», hoy ity renim-pianakaviavana iray. Manoloana ny fidangan’ny vidin-jiro, dia saika tonga manao fanamarihana sy mangata-panazavana eny amin’ny masoivohon’ny Jirama ny ankamaroan’ ny mpanjifa mimenomenona sy mampiaka-peo, kanefa tsy mahazo valin-teny maharesy lahatra mahakasika ny fidangan’ny vidin-jiro ny rehetra.
Eric Manitrisa