Noho ny tondro molotra, ramatoabe iray mananika ny 60 taona eo, voatondro ho mpamosavy no saika matin’ny fitsaram-bahoaka, tany Sakaraha, afakomaly. Raha ny tati-baovao voaray dia tratra tao an-tranon’olona vao mangiran-dratsy ity vehivavy ity ka nofatorana tady. Vory ny olona avy eo nijery ny zava-nisy, ary nisy sasany tamin’ireo olona tonga teo izay tsy mba nanadihady akory ny fipetraky ny tena zava-nisy no nidaroka an’ity vehivavy lehibe voalaza fa mpamosavy, ka naratra mafy ity farany, ary rehefa nofotorana izy dia nilaza fa noana mafy ka nitady ampango tao an-dakozia. Mpivady sendra nandalo tsy lavitra teo, izay handeha hitety tsena vao maraina nahita ireo olona vory sy nikotaba vao maraina no nanatona, ka nahafantatra an’ity ramatoa ity, ary nilaza fa vehivavy tsy salama saina avy an’ Andranovory Toliara II io, fa tsy mpamosavy izany. Taorian’izany dia navosotra izy, ary nirarakopana ny teny ratsy ka sady nandeha ramatoabe no nanozona an’ireo namono sy nikasi-tanana azy.
Eric Manitrisa