Tranga hafakely indray no hita tetsy Andohatapenaka, ampitan’ilay toby fiantsonan’ny taxi-brousse vaovao io, omaly. Raha mbola somary misomebiseby tamin’ny lamina vaovao amin’ity toerana ity tokoa mantsy ny rehetra no taitra tampoka tamin’ny nafitsok’ity lehilahy sahabo ho 25 taona, tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro teo. Tsy nisalasala mihitsy mantsy ity tovolahy ity, nitsoraka avy teo amin’iny fefiloha iny, ho any anaty ranon’Ikopa. Noheverin’ny rehetra fa ireo ankizy mpilalao rano eny an-toerana ity farany tamin’ny voalohany. Kinanjo, tsy nisy olona nipoitra intsony fotoana maromaro taty aoriana. Teo vao samy nikoropaka avokoa ny rehetra, niezaka niantso ireo mpamonjy voina,fa hoe nisy lehilahy nitsoraka sa “namono tena” tao amin’ny ranon’Ikopa. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo tompon’andraikitra nanao izay azo natao rehetra nikarohana ity lehilahy. Fotoana maromaro taty aoriana, dia efa vatana mangatsiaka sisa no nampakarin’ny mpamonjy voina avy tany. Raha ny fanazavana azo, dia toa hoe olona marary saina ity tovolahy ity. Ka azo lazaina ho antony nahatonga ity zavatra nataony ity. Na izany na tsy izany, dia nentina notilina ny razana ary nomena ny fianakaviana avy teo. Fa mbola razana hita tao anaty rano hatrany, teny amin’iny faritra Itaosy Bemasoandry iny. Lehilahy iray no hitan’ny mpaka tsinkafona natsingevan’ny rano. Raha ny fitiliana nataon’ireo mpitandro filaminana, dia azo heverina fa nisy namono ity farany. Feno ratra sy mangana mantsy ny tarehiny. Efa nandray ny andraikiny amin’ny fanokafana ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra amin’izany.
m.L