- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Andian-jiolahy mpandroba sy mpanolana saron’ny zandary

Alasora : Andian-jiolahy mpandroba sy mpanolana saron’ny zandary

Tato anatin’ny roa volana dia nitrangana fanafihana in-telo miantoana teny amin’iny faritra Alasora sy ny manodidina iny. Saika mitovitovy avokoa iny fitrangan’ireo fanafihana. Andian-jiolahy maromaro mitam-piadiana, na io basy poleta na basy kalach, miditra an-keriny ao an-tokatranon’olona. Tsy vitan’ny mandroba sy mandratra izy ireo amin’izany fa misy amin’ireo lasibatra no mbola voaolana ihany koa. « Ny amin’ny 16 hifoha 17 janoary tao Ampangabe, ny alin’ny 6 hifoha 7 febroary tao Ampahibato ary farany teo tamin’ny alin’ny 16 hifoha 17 febroary tao Ambodivondava samy ao Alasora no efa samy nanaovan’izy ireo fanafihana ka nisy ny voaolana ary nisy ny naratra ankoatra ny vola sy entana very » hoy ny fampitam-baovao azo. Ny faran’ny herinandro lasa teo dia nisy telo tamin’ireto andian-jiolahy, mpandroba sy mpanolana ireo no voasambotry ny zandary. Ny iray tamin’izany dia fantatra fa vehivavy sakaizana jiolahy, izay mbola eo an-dalam-pikarohana amin’izao fotoana izao. « Nanao ny fanadihadiana ny zandary avy ao Alasora. Vehivavy iray izay sakaizan’ilay tompon-trano lehiben’io fikamban-jiolahy io no sarona tao niaraka tamin’ny entana halatra maro toy ny fahitalavitra « ecran plat » roa, brushing, fer à repasser sns, ankoatra ireo fitaovana maro fitondra mamaky trano toy ny lakile maro, barre à pince, barre à mine». Nentina nanaovana famotorana ity vehivavy ity ary nanoro ny namany. Ny roa tamin’ireo mpanafika ny voasambotra tamin’ny alalan’ity vehivavy sakaizan’ny iray tamin’izy ireo ity. Ny iray tamin’ireo sarona dia fantatra fa ilay tompon’antoka tamin’ny fanolanana, izay fantatr’ireo lasibatra endrika tsara. Samy nampidirina am-ponja avy hatrany moa izy telo ireto, ary mbola eo am-pikarohana ireo namany hafa ny zandary eny an-toerana. « Antenaina noho izany fa hampihena ny tsy fandriam-pahalemana eny amin’iny toerana iny ny fahatratrarana ireto. Entanina anef mba ho mailo hatrany ny rehetra ka hanome vaovao haingana raha misy mampanahy »

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici