Jiolahy roa tra-tehaka namaky trano vao maraim-be no saika matin’ny hatezeram-bahoaka tany Mahaboboka Sakaraha, omaly naraina. Raha ny tati-baovao voaray, dia teo am-panaovana ny asa ratsiny namaky toeram-pivarotana iray ireto roalahy tsy nisaron-tava no henon’ny tompon-trano, izay taitra tamin’ny torimasony. Raikitra ny hazo lava (antso vonjy) ka nifanenjehana eraky ny tanàna ny mpangalatra. Voasambotra izy roalahy ka nofatorana ary niharan’ny daroka sy vono. Rehefa naratra mafy sy nalemilemy zara raha nahazaka tena ireto ireto mpangalatra, dia saika nodoran’olona velona, kanefa nandrara izany fihetsika mamoafady izany ny raiamandreny teo an-tanàna. Araka ny tati-baovao voaray, dia mponina eo an-tanàna ihany ny iray tamin’ny jiolahy, ity farany izay malaza ratsy amin’ny hala-botry sy vaky trano ary efa niditra am-ponja in-droa nefa mbola mamerin-keloka hatrany, ka nofaizin’ny fokonolona tamin’ity indray mitoraka ity, ary saika nanaraka hatramin’ny ain-dehibe.
Eric Manitrisa