- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka tao Tanambao V : Olona valo nosamborina, fito nahazo “MD” ka...

Sakoroka tao Tanambao V : Olona valo nosamborina, fito nahazo “MD” ka vehivavy ny roa

Niitatra ilay raharaha fandroahana olona tao Tanambao V, ny sabotsy nataon’ny kaominin’i Toamasina. Taorian’ny sakoroka izay nisiana ady totohondry mihitsy noho ny tsy faneken’ireo fianakaviana nesorina, izay ambaran’izy ireo ho tsy rariny noho ireo antontan-taratasy ara-dalana teo am-palen-tanany, dia nitohy ny alahady ny raharaha tamin’ny fisamborana ireo olona notondroin’ny lefitra voalohana sy ny mpanolotsain’ny ben’ny tanana, fa nahatonga ny sakana ka naharatrana polisy niaro ireto ekipan’ny kaominina. Olona valo no nanaovana sarika am-pandriana ny alahady io noho ny fitorian’ny kaominina sy ny baiko midin’ny ben’ny tanana tamin’ny fisamborana azy ireo. Haingam-pandeha noho izany ny fakana am-bavany ireto olona valo ireto noho ny baiko naidin’ny tonia mpampanoa lalana tamin’ny polisy, ny alatsinainy tolakandro dia nakarina teo anivon’ny fampanoavana ny raharaha, ko araka ny didy noraisin’ny tonia mpampanoa lalana nisahana ny raharaha, dia nampiditra am-ponja ny olona fito izay vehivavy ny roa, iray hafa kosa nahazo fahafahana vonji maika. Tamin’ireo olona fito nohazonina am-ponja vonji maika ireo anefa dia ny efatra fianakavian’ny filohan’ny mpanolotsain’ny tanana noho ilay olona nesorina tao amin’ny tranony mbola fianakaviany ihany koa. Noho izao raharaha izao izany, dia mitohy ny “ady” eo amin’ity filohan’ny mpanolotsain’ny tanana sy ny ekipan’ny ben’ny tanana ity. Ny dingana manaraka izany izao, dia ny fitsarana ny raharaha nitorian’ity filohan’ny mpanolotsaina ity ny teti-bolan’ny kaominin’i Toamasina teny amin’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana, izay mbola mihantona ny fampiasana azy raha araky ny lalana noho io fitoriana io, noho izy ity natao amboletra ny fandaniana azy, sy natao kitoatoa ny fomba niantsoana ny mpivory nanapaka azy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici