Isan’ny distrika tena ahitana halatra vokatra fanondrana sy fanafihana ireo mpandraharaha sy ireo mpanangom-bokatra ary ireo tantsaha misehatra eo amin’ny vokatra fanondrana ny ao amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo. Ny resaka lavanilina sy ny jirofo izay tsara vidy tato ho ato no tena lasibatra amin’izany ankoatra ny fangalarana am-potony ireo lavanilina maitso. Tamin’ity volana febroary ity, araka ny fanazavan’ny ben’ny tanana ao Antenina nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, dia tena olana goavana ho an’ny tantsaha sy ny mponina amin’izy ireo ny vaky trano sy halatra vokatra fanondrana am-potony; efa very fanahy mbola velona ny tantsaha amin’ny fiarovana ireo fananany an-trano sy any an-tsaha. Hany herin’izy ireo dia ny fametrahana fiaraha-mientan’ny fokonolona amin’ny fiarovana iombonana ny fananan’izy ireo amin’ny andian-jiolahy mpangalatra. Izay no nahatonga ity tovolahy iray tratran’ny fokonolona niharan’ny fitsaram-bahoaka ho faty tsy tra-drano, raha avy namaky tranona mpanangom-bokatra jirofo izy sy ireo namany izay tafatsoaka. nangalarin’izy ireo tamin’izany ny jirofo 10 gony amin’ny 120kgs ny iray. Naratra mafy kosa saingy efa nahazo ny fitsaboana azy sy efa tafaverina any amin’ny kaominina Antenina misy azy ny tompon’ity jirofo ity noho ny fiarovany ny fananany. Manao antso avo amin’ny mpitandro ny filaminana izy ireo hiaro azy sy ny fananany. Nohamafisin’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo anefa fa haparitaka eraky ny distrika sy ny kaominina eo anivon’ny faritra sahaniny ho fiarovana ny fanananan’ireo tantsaha sy ireo mpanangom-bokatra ary ireo mpandraharaha ara-bokatra fanondrana ny “DINA TSIMANAVAKA” izay efa nahazo ny fankatoavan’ny fitsarana, izay fampandraisana andraikitra ny fokonolona ifotony ihany koa.
Malala Didier