- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversOMSI : Hitatra ao Foulpointe sy Sainte-marie

OMSI : Hitatra ao Foulpointe sy Sainte-marie

Nanao ny fihaonam-beny noho ny taona vaovao ireo mpiara-miasa eo anivon’ny toeram-pitsaboana OMSI na “Organisation Medico-Social Interprofessionnelle”, sy ireo mpiara-miombona antoka aminy ny zoma hariva tao Ampasimazava, izay natrehan’ny minisitra Maharanty Jean de Dieu sy ny minisitra Ndahimananjara Johanita ary ny talem-pitantanany vaovao Gianni Lando Tiaray. Niavaka ny fihaonam-ben’ny mpiasan’ny OMSI Toamasina tamin’ity taona ity satria tafiditra indrindra amin’ny faha-55 taona nijoroany teto Toamasina ka nisy ny zoma io ny fanolorana ny mari-boninahitra sy medalin’asa ho an’ireo mpiasa nahavita be niisa 42. Ny roa tamin’izany nahazo ny “Commandeur”, isan’izany ny tale jeneralin’ny OMSI sady senateran’i Madagasikara Dr Benesy Harison Sebastien, telo hafa nahazo ny “Officier”, efatra notolorana “Officier de Merite”; teo koa ireo mpiasa valo nomena ny medaly volafotsy, sy ireo mpiasa enina nahazo ny medaly volafotsy sy alimo niaraka, ary ireo 19 nahazo ny medaly alimo fotsiny. Nandritra ity fihaonam-be ity no nilazan’ny talem-pitantanana vaovaon’ny OMSI Gianni Lando Tiaray, fa “hitarina ao Mahavelona Foulpointe sy any Sainte-Marie ny asa ataon’ny OMSI Toamasina amin’ny fitsaboana ny mpiasa sy ny mpampiasa ary ny fianakaviany, satria isan’ny misahana ny fahasalamam-bahoaka sy ny olom-pirenena rehetra koa izy ireo amin’ny maha toeram-pitsaboana ho an’ny vahoaka azy ireo”. Nohamafisin’ny tale jeneraly Dr Benesy Harison Sebastien izany ka nilazany, fa “hatsangana amin’ity taona ity ny toeram-pandidiana, ny sampan-draharaha misahana ny fitsaboana ny zaza sy ny ankizy, ary hisy ny fanitarana ny trano fandraisana ireo marary ihany koa. Tsy maintsy natao izany ho fahasalamana ho an’ny rehetra sy ny fanehoana ihany koa fa manana ny ‘Iso-9001’ ny OMSI nanomboka tamin’iny taona nivalona iny”. Izay indrindra no nahatonga ny minisitry ny asa Maharanty Jean de Dieu nanao antso avo sy nampitandrina ireo orinasa mbola tsy manara-dalana, fa “ho avy ny fanjakana sy ny minisitera hanasazy ny tsy fanajana ny lalana manan-kery mikasika ny fidirana ao anatin’ny toeram-pitsaboana natokana ho an’ny mpiasa sy ny mpampiasa ary ny fianakaviany tahaka ny OMSI”. Miisa 1013 ireo mpiasa sy mpampiasa mpikambana sy mpandoa ny latsakemboka eo anivon’ny OMSI Toamasina izao, ny ho fampitomboana izany amin’ireo mbola tsy niditra ny tanjona izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici