Ny zoma teo no voasambotry ny FIP ireto olona 11 izay nahazoan’izy ireo vaovao fa manamboatra sy manaparitaka vola sandoka niaraka tamin’ireo fitaovana fanaovana izany, indrindra amin’ireo tontolo ambanivohitra amin’ny alalan’ny fividianana vokatra lavanilina sy jirofo. Tsy nisy 24 ora akory dia vita ny fakana am-bavany azy ireo teo anivon’ny polisy misahana ny heloka be vava, satria ny sabotsy antoandro dia efa nakarina teo anivon’ny fitsarana ny antontan-taratasy momba azy 11 mianadahy, izay vehivavy ny roa. Raha ny angom-baovao natao dia ny fampanoavana ihany no nandray ny fanapahan-kevitra tamin’ity raharaha ity, ka namoahany didy fa ny 04 miandry fitsarana am-ponja. Nomen’izy ireo fahafahana alohan’ny fitsarana ny 07 mianadahy tamin’izao raharaha vola sandoka izao. Ny vaovao hafa mikasika ity raharaha ity koa no nahalalana fa tsy manana ahiahy amin’ny fanenjehana azy amin’izao raharaha izao ilay kolonely lehiben’izao heloka be vava izao, satria mandeha ny resaka noho ireto nahazo fahafahana tsy mahatam-bava fa misy ny fandoavana vola 05 tapitrisa ariary isany nataon’izy 11 mianadahy ho vidin’ny fahafahany, ary natao sarimihetsika fotsiny ireo 04 “MD” fa efa mandeha ny fanafahana azy ireo izao.
Malala Didier