- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Rongony, vola sandoka, halatra : olona 22 nosamborina

Isotry : Rongony, vola sandoka, halatra : olona 22 nosamborina

Mpifoka rongony ankalamanjana, mpanendaka, mpamaky trano, mpanaparitaka vola sandoka, mpanao sinto-mahery. Misy avokoa izany eo amin’ny boriborintany fahefatra amin’ny fari-piadidian’ny polisy. Manaratsy endrika tanteraka ny faritra iva ny fisesin’ireo asaratsy ireo ary tena mampihorohoro ny mponina sy ny mpandalo eny, satria matetika loatra ny fitrangany. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa, dia mba nahavelom-bolo kely ny fisian’ny hetsika nataon’ny polisy izay misahana ny filaminam-bahoaka eny amin’iny faritra iny. Ny antony dia tena nirotsaka ny olon’izy ireo ary indrindra koa mba tsy nandray kolikoly na nisy aza ny olona voasambotra ka saika « hitoraka kely ».  Ny zoma teo ary, raha nisy ny fidinana tampoka teny amin’ny toeram-piantsonan’ny taxi-brousse etsy Antohomadinika, dia nisy ny olona enina izay nanendaka ny olona vao nidina tamin’ny fiara fitaterana. Sarona teo ihany ireo ary nidoboka am-ponja ny dimy rehefa natolotra ny fampanoavana. Tranga hafa indray, ny ampitson’iny : « cybercafé » iray tetsy amin’ny Aigle Noir ambodin’Isotry no nisy namaky tamin’ny roa maraina. Nisy ny fanarahan-dia ary sarona tamin’izany  Rahery sy i Mainty, tompon’antoka tamin’ny vaky trano sy fividianana ny entana halatra. Rehefa nosavana ny tranony, dia nahitana entana halatra maro. Mbola misy olona dimy karohina amin’ity raharaha ity. Mbola iny  asabotsy iny ihany koa no nahatrarana vehivavy iray mpanao vola sandoka sy mpanaparitaka izany, teny amin’ny faritra « R plus 5 ». Mbola tazonina ao amin’ny kaomisaria ao Isotry io farany hatreto.  Tranga hafa indray, saingy mbola ny asabotsy ihany, lehilahy telo no tratra teo am-pifohana rongony tao anaty toerana maizina. Tratra nandritra ny fisafoana izay natao teny amin’ny IVO izy ireo. Efa zatra ny lalan-dririnina ka saika hanao tsolotra 800.000 ariary (izay tsy fantatra mazava ny fiaviany ary nanokafana fanadihadiana) saingy mba nandà ny pôlisy. Isan’ny voamarika tamin’ny fitanana an-tsoratra nandritra ny fakàna am-bavany io fikasana hanao kolikoly io. Farany, dia ny fisian’ny tovolahy enina nosamborina noho ny fanendahana eny amin’ny faritra : IVO, 3G Hangar, Ambodin’Isotry, Andranomanalina sy Bazar Ma. Ireo indray dia miloka amin’ny « baby foot » no androantokom-piainany. Rehefa lany vola eo dia manendaka aloha dia miverina miloka eo indray. Nosamborina koa ny ramatoa  izay tompon’ny toerana. Ny antony, dia satria fantany mazava fa olon-dratsy ny mpilalao eo kanefa tsy mba nisy natorony   ny mpitandro ny filaminana. Mila miverimberina ny toy izao mba hampilamin-tsaina ny eny an-toerana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici