- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Mpangalatra lavanilina telo voasambotra

Soanierana Ivongo : Mpangalatra lavanilina telo voasambotra

Isan’ny tena olana ary miteraka fahoriana ho an’ireo tantsaha mpamboly lavanilina ao Soanierana Ivongo ny firongatry ny halatra lavanilina am-potony izao nefa mbola tsy fotoam-pihotazana ity vokatra fanondrana ity ny vanim-potoana misy. Saika isan’andro dia maharay fitarainana avy amin’ireo tantsaha mpamokatra ity voly fanondrana ity hatrany ny mpitandro ny filaminana ao Soanierana Ivongo avy amin’ireo kaominina sy fokontany manodidina. Vokatra ny vaovao azon’ny polisy any an-toerana tarihan’ny lehiben’ny kaomisaria any an-toerana, “officier” Tsima Angelot, dia ny zoma teo dia nisy ny velam-pandrika natao tamin’ireo roa mampihaihay ny mponina sy efa nahazoan’ny polisy fitarainana nandalo tao Soanierana Ivongo, tratra tao anaty sakosy nentin’izy roa lahy ny lavanilina 10kgs tsy mbola matoy sy mbola tsy mifanaraka amin’ny fenitra takian’ny tsena ihany koa. Taorian’ny fakana am-bavany azy roa lahy dia nahiditra teo anivon’ny fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny alatsinainy teo ny raharaha, ka nivoaka ny didy savaranon’ando fa miandry fitsarana am-ponja noho ny heloka vitany izy roa lahy ireto. Ankoatra izany dia saron’ny polisy tao Soanierana Ivongo ihany koa ny mpangalatra lavanilina tao amin’ny fokontany Ambarimay kaominina Ambahoabe; mbola lavanilina manodidina ny 10kgs mbola tsy matoy ihany koa no tratra tany aminy tamin’izao fisamboran’ny polisy azy izao; izay efa miandry fitsarana am-ponja koa ity tovolahy ity taorian’ny fiakaran’ny raharaha teo anivon’ny fitsarana ny alatsinainy teo. Ireo lavanilina roa tratra ireo dia nodorana niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana sy ara-barotra tao Soanierana Ivongo avokoa taorian’ny famotorana ny raharaha.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici