Efa narahan’ireto jiolahy moramora avy taoaoriana ireto fianakaviana avy nivarotra vary fotsy tao amin’ny tsenan’Ambatondrazaka no avy hatrany dia nositominy ny harona kely misy ny volabe ,namely nisintona ihany koa ilay renim-pianakaviana ary tsy navelany mihitsy ilay harona , matanjaka no ranjanana ilay jiolahy ka nikarapoka tamin’ny vatokely ny lohan’ilay renim -pianakaviana izay nitazona ilay harona misy vola ka naratra mafy, notaritaritin’ilay jiolahy tamin’ny vatokely izy ka teo vao nahaloa-peo niantso vonjy ity renim-pianakaviana ity izay efa nihoson-drà ny lohany .Nirohotra nanatona ny olona satria mbola betsaka ireo olona mivezivezy handeha hamonjy fodiana tamin’io fotoana io izay maro ny nilaza fa noheverinay ho ady mivady ilay izy teo Samy nananany lalana nilefasany anefa ireto jiolahy telolahy nanao ny fanendahana ka ny iray tafatsoaka ny lalana hihazo ny tsena ka mora tamin’ireo vahoaka ny nanenjika ka dia tratra,ary dia raikitra ny daroka sy ny hitsaka ary ny toraka vato ,mpitandro ny filaminana handeha hamonjy fodiana no niaro ity jiolahy ity tamin’ny fitsaram-bahoaka nahazo azy ka io no niantso ny namany mpiara-miasa , ireo jiolahy roa lahy kosa tafatsoaka tany anaty kirihitra. Efatsy nahatsiaro tenacity jiolahy ity tamin’ny nahatongavan’ny mpitandro ny filaminana teo ka rehefa tonga teny amin’ny hopitaly dia namoy ny ainy. NyTalataa 27 Febroary 2018 teo tokony ho tamin’ny 7 orasy 15 minitra no nitrangan’ny fanendahana sady tao anatin’ny fahatapahan’ny jiro ,no teo ampovon-tanana ihany koa. Toa saika isanandro dia ahenoana fanafihana mitam-piadiana eto amin’ny renivohitr’Ambatondrazaka ary ahitana faharatrana sy fahaverezan’entana sarobidy maro hatrany izany .Manampy trotraka ihany koa ny fahatapahan’ny jiro eto amin’ny renivohitra toa saika isanandro lava izao izay manomboka amin’ny 6 hariva hatramin’ny 9 ora sy sasany alina .Maro nomihorohoro sy matahotra, misy ireo mampiasa mpiambina manokana mihitsy amin’izaofotoana izao ,ireo fivarotana lehibe moa dia efa ambenan’ny mpitandro ny filaminana.Manao antso sy mitaraina ny vahoaka ny tokony hanamafisana ny fandriam-pahalemana satri mivoaka ny trano azon’ny fanendahana mijanona any antrano voaroba sy maratra
Janus R.