- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Mpivarotra basy 12 saron’ny zandary

Maroantsetra : Mpivarotra basy 12 saron’ny zandary

Mpivarotra basy 12 saron’ny zandary

Matotra ny fiaraha-miasan’ny zandary sy ny ben’ny Tanana, ao Manambolo distrikan’i Maroantsetra ka nahazoana vokatra amin’ny fiarovana ny filaminam-bahoaka, indrindra atsy ho atsy dia hiditra amin’ny fotoan’ny fiotazana ireo vokatra fanondrana ny tantsaha sy ny mpandraharaha ary ireo mpanagom-bokatra. Nandritra izany no nanomezan’ny ben’ny Tanana vaovao ny zandary, fa misy ity olona antsoina hoe Ratianarivo ity izay avy any Antalaha mivarotra basy PA vita gasy ao amin’ny kaominina iadidiany; vao  nahare izany ny zandary tao Maroantsetra dia tsy niandry ela fa avy hatrany dia nidina tany amin’ity kaominina ity nitady an’ingahy Ratianarivo ny 18 febroary 2018 lasa teo, ka nandritra ny fisamborana azy izay nanaovan’ny zandary vela-pandrika manokana, dia tratra tany amin’ity rangahy ity ny basy PA efatra vita gasy ambiny tsy lafo tany aminy. Nandritra ny famotorana azy no nilazan’ity rangahy ity, fa mbola misy basy PA vita gasy valo napetrany amin’ireo namany any Ankofabe, koa vao nandre izany ny zandary dia nidina tany amin’ity kaominina ity ihany koa nikaroka ireo olona voalaza fa nametrahana ireto basy PA vita gasy ireto hamidy. Tratra tamin’izany ny olona telo sy basy PA vita gasy valo izay mbola niaraka tamina bala  valo ihany koa. Raha ny fanazavan’ny zandary avy any an-toerana dia amidin’izy ireo 600.000 ariary ny basy iray raha 20.000 ariary kosa ny bala iray iray bala “caliber 12” fampiasa aminy. Ho an’ny komandan’ny vondron’ny zandary ao Maroantsetra ny GPHC Tefinanahary tamin’ny fanazavana nomeny, fa ho an’ireo te-hividy basy ho fiarovana ny tenany sy ny fianakaviany ary ny fananany, dia misy ny lalana tsy maintsy harahina ary afaka manatona ny tobin’ny zandary ireo te-hividy izany hahafahan’izy ireo manoro azy ireo ny làlana tokony haleha.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici