- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Sprinter nifandona rangahy iray maty 15 naratra mafy

Betafo : Sprinter nifandona rangahy iray maty 15 naratra mafy

« Nivoaka ny fiolanana izahay no nifanena  tamina Sprinter iray  naka ampovoan-dalana loatra. Nivilavila ny fiara nisy anay ary poa tahaka izay dia nifandona ny fiara roa », hoy ny iray tamin’ireo mpandeha niheren-doza. Tao Anjazafotsy andrefan’i Betafo no niseho ny loza omaly alakamisy 1 martsa tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro. Fiara Sprinter taxi-brousse avy eto Antsirabe hiazo an’i Morondava no niharan-doza tao Betafo amin’ny lalam-pirenena faha-34 iny. Nifandona tamina Sprinter an’olon-tsotra  iray avy any andrefana izy io. Raha ny fanazavan’ny niharan-doza dia nandeha mafy io Sprinter nifanena taminy io sady naka ampovoan-dalana loatra. Vokany, nifandona ny fiara roa tonta, samy potika avokoa ny lohan’ny fiara fa ny tena zava-doza dia maro ny naratra ary iray no maty.   Rangahy lehibe iray io namoy ny ainy io rehefa tonga teny amin’ny hopitaly ary 15 naratra mafy. Saika ireo nipetraka teny aloha avokoa ireo naratra ireo. Raha ny fanazavana dia maro amin’ireo 15 ireo no tena voa mafy tokoa voadona teo amin’ny lohany,  tapa-tongotra sy fe  ary voadona mafy eo amin’ny tratrany. Raha ny fanazavan’ny dokotera tompon’andrikitra dia maratra miisa 6 no tsy maintsy hiatrika fandidiana haingana. Ireo aloha ny tarehimarika voaray hatramin’ny  ora nanoratana  fa ahiana ny mety hitomboany,  satria misy amin’ireo maratra no efa mipotsaka atidoha. Ketoka anaty fiara ihany koa  ilay mpamilin’ny Sprinter taxi-brousse raha ny fanazavana ka mbola ifanontofan’ny olona ny famoahana azy amin’izao ora anoranata izao. Ireo fiara mpitatitra nandalo no nitondra ireo naratra teto Antsirabe namonjy hopitaly ao Andranomadio sy Hopitaly atsimo.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici