- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Andian-jiolahy mpanafika sy mpandroba ravan’ny zandary

Moramanga : Andian-jiolahy mpanafika sy mpandroba ravan’ny zandary

Efatra mirahalahy ireo mpanafika sy mpandroba mpivarotra no tratran’ny zandary eo anivon’ny borigady eto Moramanga nandritra ny  hetsika manokana nataon’izy ireo taorin’ny fitarainana maro nifanesy voaray, hoy ny komandin’ny borogadin’ny zandary eto Moramanga, GPHC Rabeantoandro Andriamifidy Jean. Efa betsaka ny asa fanafihana nataon’izy ireo, hoy hatrany ireto olona hatolotra ny fampanoavana ireto raha niaiky ny asa ratsy nataony izy ireo nandritra ny fanadihadiana natao azy. Ny 26 febroary 2018 no nanaovana ny fisamborana azy rehetra taorian’ny nahatrarana ny iray ny alin’ny 22 febroary 2018 teo am-panaovana ny asa ratsiny.Tanora manodidina ny 20 taona avokoa sady efa tafiditra ao anatin’ny fidorohana zava-mahadomelina.  Miroso amin’ny paik’ady vaovao ny eo anivon’ny borigadin’ny zandary eto Moramanga hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana

Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici