- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Voasambotra Rasanasana sy Herman, mpanendaka rain-dahiny

Isotry : Voasambotra Rasanasana sy Herman, mpanendaka rain-dahiny

Efa iaraha-mahalala tanteraka ny firongatry ny asan-jiolahy sy ny fanendahana eny amin’iny faritra Isotry, eny fa na dia eo aza ny ezaka ataon’ireo pôlisin’ny boriborintany fahefatra. Na izany na tsy izany aza anefa dia tsy mikely soroka izy ireo amin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana eny an-toerana. Fantatra ary fa tovolahy roa, izay ikoizana tanteraka amin’ny resaka fanendahana sy asan-jiolahy eny an-toerana no voasambotra teny amin’iny faritra Ambodin’Isotry iny. Jiolahy fantatra amin’ny anaram-bositra hoe Rasanasana sy Herman. « Manoloana ny firongatry ny asa fanendahana sy ny sinto-mahery eny amin’iny faritra Isotry sy ny manodidina iny moa dia tsy mitsahatra ny mandefa polisy manao fanamiana sivily eny an-toerana ny Polisy ». Tamin’izany paik’ady izany no nahatratrarana an’ireto olon-dratsy ireto izay nampitondra faisana tanteraka iny faritra iny. « Vao nahatazana ny fahatongavan’ny pôlisy anefa izy ireo dia rifatra nandositra tany an’elakelantrano. Raikitra ny fanenjehana ». Voasambotra izy ireo saingy kosa nisy namany hafa tafaporitsaka izay mbola eo am-pikarohana azy ireo mpitandro filaminana. Raha ny tatitra dia efa mpamerin-keloka izy ireo ary samy efa nisazy avokoa. Mbola mitohy ary tsy an-kijanona moa ny paik’ady rehetra ataon’ireo mpitandro filaminana. Miantso ny rehetra ihany koa izy ireo mba hifanome tanana amin’izany ady atao amin’ny tsy fandriam-pahalemana izany. Marihana tokoa fa dia olona tsy lavitra fa eny amin’iny fiaraha-monina eny ihany ireo olon-dratsy ary fantatry ny rehetra, saingy noho ny tahotra dia vitsy ireo sahy milaza azy any amin’iny manam-pahefana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici