- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Nitondra lavanilina, maty nisy namono tamin’ny antsy

Sambava : Nitondra lavanilina, maty nisy namono tamin’ny antsy

Araka ny nambaran’ny tantsaha mpamokatra lavanilina iray avy ao amin’ny fokontany iaviany, ao Ambariomiambana – Kaominina Ambonivohitra SAMBAVA, nilaza ny zava-misy tany an-tsahany  izy hoe: “ Efa tany am-piandrasana ny voan-davaniliko any anaty alan-davaniliko, ao Antrafonaomby aho,  teoeo amin’ny 11ora, ny alin’ny 27/02/ 2018, no naheno feon-dian’olona nifanaretsaka nandalo teo akaikin’ny alan-davaniliko. Tsinjotsinjo amin’ny tara-pahazavan’ny diam-bolana miakatra iny ny tandidon’ny olona telo lahy. Mba hanairana azy ireo fa misy olona tsy lavitra eo mahita azy ireo dia nitorahako vato tany amin’ny faritra lalovan’izy ireo. Rahefa naheno izany tora-batoko izany izy telolahy dia nirifatra nandositra. Ny iray tamin’izy ireo nanjohizohy ka tonga teo anoloako ka noheveriko fa efa hanafika ahy izy ka dia notantesiko tamin’ny antsiko. Izy voan’ny antsiko voalohany iny dia napetrany ny gony teny an-tanany ary saika hamely ahy izy ka dia nefa mbola nasiako fanindroany. Tamin’ny famelezako azy fanintelony sy fahefatra izy vao lavo teo amin’ny tany. Voan’ny tetik’antsiko teo amin’ny tanany sy ny sandriny, teo amin’ny haviany ary ny tongony ilay teo amin’ny havanany no nampiraviravy ka tsy teo amin’ny toerany intsony ny tanany niala ny sorony. Nisy voan-davanilina manta 5kilao teo ho eo  tanatin’ny gony nentiny.Talohan’ny nialan’ny ainy, dia mbola nahateny ny anaran’ireo namany roa lahy mpiara-dia taminy izay nandositra izy. Maty tao an-tanin-davaniliko tao izy avy teo. Ny andiany sasany tamin’ny fokonolona dia nahita gony hafa nipetraka tsy nifanalavitra ka efa samy misy voan-davanilina manta  5 na 4kilao isan- gony. Nisy gonim-bary ary nisy gonin’ny simenitra ireo gony ireo. Heverina efa samy nahazo voan-davanilina avokoa izy efa-dahy talohan’ny nandosiran’ireo namany

REMI, Rakotonirina

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici