- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversBefotaka-Atsimo : Telo lahy nofiraina sy notifirina ankalamanjana

Befotaka-Atsimo : Telo lahy nofiraina sy notifirina ankalamanjana

Fitsaram-bahoaka indray ve ? Toa izao ny zava-nitranga : nisy lehilahy iray izay niady tamin’ny hafa izay mpikamban’ny kalony. Tao anaty fisotroana izy no nahafaty ilay olona izay nifanditra taminy. Rehefa izany dia nisy ny hatezerana sy ny fikasàna hanao valifaty avy amin’ny havany maty. Ny 25 febroary teo no nitranga ity heloka bevava ity ary nanomboka teo dia tsy hita ilay nahavanon-doza. Vokatr’izany ary dia tany amin’ny mpirahalahy iray tampo taminy no nihatra ny valifaty. Nosamborin’ireo olona izy telo lahy ary noentina nivoaka kely ny tanàna. Teo ary dia nanomboka amin’izay ny valifaty, nodarohina aloha ary nofirina amin’izay nony avy eo. Tsy nijanona teo fa mbola notifirina basy. Tsy namelàna arak’izany raha tsy maty. Raha ny fijoroana vavolombelon’ny olona tao an-toerana, satria nahoraka be ny zava-nitranga, dia tsy afa-nanoatra ny mpitandro ny filaminana noho izy ireo be noho ny vitsy. Ny hany azo natao dia ny nanafatra « renfort » faran’izay haingana satria ahiana mbola hiitatra ny raharaha. Ny havan’ireo telo mirahalahy izay namoy aina mantsy dia ahiana koa ny mbola hanao valifaty. Dia ho lasa boribory vetaveta (cercle vicieux) izany ny zava-misy raha izay tokoa no ho tontosa. Miverin-dàlana tanteraka ny any amin’ny tontolo ambanivolo noho ity fanao izay efa tamin’ny fahagolan-tany ity. Fahagola tokoa satria na tamin’ny andron’ny mpanjaka aza dia tsy nisy loatra izany fitsaram-bahoaka izany, indrindra raha vao nanomboka nisy ny lalàna izay nifehy ny tany sy ny firenena. Ankehitriny, aty antenantenan’ny taon-jato faha-21 no mipoitra ary mirongatra tampoka izany fanao ratsy izany. Mihemotra tanteraka…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici