- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFitokonan’ny mpianatra tao barikadimy : Mpianatra 19 voasambotra, fiara 03 vaky fitaratra,...

Fitokonan’ny mpianatra tao barikadimy : Mpianatra 19 voasambotra, fiara 03 vaky fitaratra, “cyber-café” iray potika

« Efa tsy fitokonana amin’ny maha-mpianatra intsony ny zava-nisy tao Barikadimy raha ny zavatra nataon’izy ireo no zohina, fa tena hetsika ara-politika tsotra izao mba hoentina manakorontana ny filaminam-bahoaka sy hoentina manararaotra amin’ny karazana fandrobana samihafa ». Izay no nambaran’ireo mponina manodidina an’ity oniversite eto Toamasina ao Barikadimy ity, raha nitantara ny zava-nisy niainan’izy ireo, ny alahady hariva, ireto solontenan’ny mponina ireto. Raha ny fanazavana azo dia nitokona nivoaka ny fefy be misy azy ao Barikadimy ireto mpianatra maromaro, ny antony dia noho ny fahatapahan’ny herinaratra nateraky ny oram-be sy rivotra nentin’ny rivo-doza Dumazile izay nandalo teo amin’ny 170km miala ny sisin-dranomasin’i Toamasina ny alahady teo. Nanao ny afany ny teo anivon’ny Jirama Toamasina namerina aloha ireo tambajotran-jiro azo novonjena, ankoatra ireo nisy olana. Isan’izany ny tao Anjoma, Androranga, Ampasimazava, Bazary be, Mangarano I sy II, Ambalamanasy, Andranomadio, Ambalamanasy…hatrany Antseranampasika, izay tsy niverina raha tsy tamin’ny 10ora alina noho io fanamboarana nateraky ny oram-be nentin’ny rivo-doza Dumazile io. Tsy nahafaly ny mpianatra tao Barikadimy maromaro izany ka ny fandorana kodiarana sy fitoraham-bato fiara nandalo izay nahasimbana fiara 03 ary ny fandravana « Cyber-Cafe » sy ireo mpivarotra ary ireo tokantrano mifanila amin’ity oniversite ity no nataon’izy ireo. Voatery niditra an-tsehatra tamin’ny famerenana ny filaminam-bahoaka sy ny fanesorana ny sakan-dalana nataon’ireto mpianatra ny mpitandro ny filaminana mitambatra, Emmo-Sécurité, notarihan’ny « groupement » ny zandary, ka raikitra avy hatrany fifanenjehana teo amin’ny mpianatra sy ny Emmo. Vokany, mpianatra 19 izay tovolahy avokoa no voasambotra, ary nalaina am-bavany omaly tontolon’ny andro. Ny angom-baovao hatrany no nahalalana fa nitory ireo mpianatra ao Barikadimy nahavita nanimba fananan’olona maromaro teny Barikadimy sy ireo sendra nandalo teny ny tompon’ny fananana, ka izay no mampisokatra ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici