- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Lehilahy hita faty nihantona tao an-tranony

Antohomadinika : Lehilahy hita faty nihantona tao an-tranony

Rangahy iray manodidina ny 40 taona any ho any hita faty nihantona tao an-tranony, teny amin’iny faritra Antsalovana, Antohomadinika iny omaly. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava ny antony : famonoan-tena tsotra izao sa vono niniana natao fa mody nakana endrika famonoan-tena. Raha ny zava-nitranga, tsy fanaon’ity lehilahy ity ny mihidy aman-trano, kanefa ny andro anefa efa mazava. Noho ny asany mantsy, izay, raha ny filazan’ireo manodidina azy, mpibata entana na mpanera amina tobim-piantsonana taxi-brousse tsy lavitra eo, dia mazàna no hita maraina eny amin’io faritra io izy ary tsy miala teny raha tsy alina ihany koa. Tamin’io fotoana io anefa, dia nambara fa nisy nahita ny fidirana tao an-trano saingy kosa tsy nisy nahita mihitsy ny nivoahany. Tsy teny amin’iny toerana nahitàna azy mahazatra ihany koa izy. Izany rehetra izany no nahatonga ny olona akaiky an’ity rangahy ity nijery tao an-trano ary dia indrisy fa dia io tranga mampalaelo sy mampihoron-koditra io no hita tao. Vatana efa nilaozan’ny aina efa ela, mihinjitra mihantona amin’ny tady eo am-povoan-trano. Nampandrenesina haingana moa teo ireo tompon’andraikitra isan-tsojakiny avy. Tonga teny an-toerana avy hatrany ihany koa ireo pôlisy avy etsy Antsalovana nijery ifotony ny zava-nisy. Ireo polisy misahana ny heloka bevava eny Anosy kosa no nandray an-tanana ny raharaha, manantanteraka ny fanadihadiana sy ny famotorana. Nentina teny amin’iny tranom-paty moa ny razana nony avy eo, hanaovana fitsirihana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici