Kofehy sy lamba maromaro, izay tombanana ho any amin’ny dimy tapitrisa ariary latsaka kely tany ho any no nataon’ireto mpiasa sy mpiambina an’ity orinasa afakaba iray eny amin’iny faritra Tanjombato iny ity najifa tao anatin’ny indray alina monja, ny herinandro lasa teo. Mpiambina iray, izay tsy nahalala na inona na inona akory, fa tonga handray ny anjara fiambenany no nahita fa efa vaky ilay toerana tokony hambenana. Teo no ho eo ihany dia nampandre avy hatrany tany amin’iny tompon’andraikitra ity farany. Natao avy hatrany ny fijerena ny zava-nisy taorian’izay, rehefa nilazan’ny pôlisy ny tompon’ny orinasa. Asa na fantatr’ireo mpandroba na tsia fa nisy « camera de surveillance » tao amin’ilay toerana norobain’izy ireo. Tamin’io fotoana io no hita niharihary fa ireo mpiasa mpiambina tamin’io alina io ihany no atidoha tao ambadik’ilay fandrombana. Nosamborina avy hatrany moa ireo farany ary nanondro ihany koa lehilahy iray izay voalaza fa mpandray ireo entana halatra rehetra avy tao amin’ity orinasa ity. Raha ny vaovao azo avy amin’ny pôisy hatrany mantsy dia tsy vao sambany izy ireo no nangalatra tao amin’io orinasa io fa efa imbetsaka ihany. Mbola mitohy araka izany ny famotorana sy ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany.
m.L