Lehilahy roa no nahiana ho jiolahy anisan’ny nanafika tokantrano iray, tany Marobaria, fokontany Ambinanikely, Kaominina Mangabe, disitrikan’i Maevatanàna, no nisehoan’izany, ny farany volana Febroary lasa teo, tokony ho tamin’ny 09 ora alina. Araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana, dia dahalo maromaro tsy voafaritra isa nirongo fitaovam-piadiana maherivaika no nanafika tokantrano iray. Vehivavy iray antsoina hoe Lydia no maty ny darokan’ireo dahalo tamin’izany, ary omby manodidina 12 isa no very nandritra ny fanafihana. Noho ny fandraisana andraikitra nataon’ny miaramila DAS na: ( Détachement Autonome de Securité, ) dia tratra tany Ambatolampy, kaominina Marokoro ireo jiolahy nitondra omby ireo, ka nisy avy hatrany ny fifandonana teo amin’ny roatonta, ka dahalo iray no maty, ary raraka tamin’izany ny omby rehetra. Ny ampitson’ny Alakamisy 01 martsa dia niantso an-telefaonina ny fokonolona tao Ambinanikely ny miaramila tokony ho tamin’ny 06 ora 49mn hariva, izay nilaza fa misy dahalo naman’ireo malaso namoaka ireo omby izay fantatra fa ao an-tanàna ihany izy ireo no mipetraka. Tsy nanaiky kosa ireo fokonolona tao an-tanàna, fa niditra an-tsehatra raha vao nahare izany, ka izao niafara tamin’ny fitsram-bahoaka izao. Tsy namelan’ireo mponina tany an-toerana raha tsy tapitra ny ain’izy roalahy voatondro ho dahalo ireto.
Ratantely