- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFanompana polisy tamin’ny « facebook » : Miandry fitsarana am-ponja ilay tompon’antoka

Fanompana polisy tamin’ny « facebook » : Miandry fitsarana am-ponja ilay tompon’antoka

Tena nanana fahasahiana goavana ity tovolahy iray mipetraka ao Mangarano Toamasina ity tamin’ny fanompana sy fanivaivana polisy tamin’ny tambajotran-tserasera “facebook”. Ny antony dia noho ny tsy fahafaliany tamin’ny famoahan’olona ny hetraketraka nambara fa nataon’ny polisy tao Androranga. “Amboa razana ianareo polisy jiaby” (tena io teny no nambarany) tamin’ny fikarohan’ny polisy azy tamin’izao raharaha manenjika azy izao. Noho ny fiaraha-miasan’ny polisy tamin’ireo mpikirakira ny tambajotran-tserasera “facebook” eto Toamasina, sy ny teknikam-pikarohana amin’ny alalan’ny serasera tahaka ny “facebook” ananan’ny polisy eto Toamasina, dia sarona tao Mangarano ingahy nanao ity fanopana sy faniaivana polisy ity. “Tsy fanapenam-bava ataon’ny polisy amin’ny demokrasia misy ao anatin’ny ‘facebook’ sy eto amintsika ny fisamborana natao, fa misy fetrany izany ka ho famaizana ho an’ireo tsy mahafehy ny tambajotran-tserasera fa entina hanivaivana olona sy entina hanaratsiana olona ary entina hitenitenena foana no antony andraisana ny fepetra” hoy ny polisy tafaresaka tamin’ny mpanao gazety; satria nomarihan’izy ireo fa “maro ny fanakihanana azonay ao anaty ‘facebook’ saingy tsy mahataitra anay ireny satria fomba entinay hanitsiana ny asa ataonay amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ny voalaza”. Taorian’ny fiakaran’ny raharaha teny amin’ny fitsarana, ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana, izay ny polisy manontolo no mpitory tamin’izao raharaha izao raha ny fanazavana, dia miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy ingahy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici