- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Noafahan’ny fitsarana vonjimaika indray izy enina mianadahy

Toamasina : Noafahan’ny fitsarana vonjimaika indray izy enina mianadahy

Fihoaran’ny 48 ora ? fe-potoana fihazonan’ny polisy ireo olona atao famotorana, sy ny tsy fahazoan’ny polisy didy misava findain’olona alaina am-bavany, ary tsy fahampian’ny porofo tadiavin’ny fitsarana, no voalaza fa nahatonga ny fitsarana teto Toamasina nandray ny didy namotsotra vonjimaika indray azy enina mianadahy, izay voarohirohy tamin’ilay raharaha fangalarana sy fivarotan-jaza tratran’ny polisy ny sabotsy teo taorian’ny fikarohana efa naharitra andro maromaro sy efa nanaovana vela-pandrika. Raha ny fanazavana dia filam-baniny tsotra izao ny an’ny fitsarana tamin’izao raharaha izao, satria ireto mpangalatra sy mpivaro-jaza indray izao ny mirehareha eran’ny tanàna fa hoe “tsy misy tsy vitan’ny vola izany eto fa mahaiza mibizina raha tsy te-higadra”. Voalazan’ny angom-baovao natao tamin’ireo mpahay lalàna eto Toamasina fa efa ampy hiazonana azy enina mianadahy ilay someso voarain’ny polisy nentina ho porofo teo anivon’ny fitsarana, ka raha tian’ny mpitsara mihazona ny antontan-taratasy ny fanaovana famotorana lalina dia zony izany amin’ny fanangonana, izany miainga amin’ireo efa nisy ankehitriny. Nambaran’ireto mpahay lalàna ireto fa “ny endrin-javatra toy izao no mampihena ny fahatokisan’ny vahoaka ny fitsarana sy mampirehareha ny jiolahy ary mampidingin-drambo ny mpanao ratsy, ka io miteraka fitsaram-bahoaka lava eto amintsika io mba hiarovan’ny vahoaka ny fananany”. Miteraka fitaintainan-dava ho an’ny ray aman-dreny manan-janaka 03 taona hatramin’ny 16 taona, indrindra fa ireo vehivavy, ny zava-misy. Mahatratra 10 taptrisa ariary ny hamarotan’ireo mpangalatra sy mpivaro-jaza ireo ankizy samboriny ka mety ho betsaka no ho taitra.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici