- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA : Tafapetraka ny mpikamban’ny ORTVA

VAKINANKARATRA : Tafapetraka ny mpikamban’ny ORTVA

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny ortva. ( sary Andry N.)

Tafepetraka amin’ny toerany ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny ofisim-paritry ny fizahan-tany eto Vakinankatra. Efa mandray ny asany ireo mpitantana vaovao ireo hatramin’ny nahavitana ny fifidianana, izay natao ny faha-12 janoary 2018. Lany ho filohan’ny filankevi-pitantanana Atoa Rakotoson Hary Naivo. Izy izany no handimby an-dRtoa Resette Andrianaivo, filoha teo aloha. Vaiandohan-draharaha ho an’ny filoha vaovao, ny hampandrosoana ny lafiny ara-pizahan-tany eto Vakinankaratra. Ezahina, hoy izy, ny hitazonana ny tolotra sy ny tinady, indrindra fa ny fampahafantarana  ireo mpizaha-tany ny zava misy manintona eto Antsirabe mba hitazomana azy ireo haharitra eto ary  mba tsy hijanona ho fandalovana fotsiny eto Antsirabe. Ankaotra izay, efa maty lamina ny fandaharam-potoana ho an’ny taom-piasana sy paikady entina hampandrosana ny fizahan-tany eto Vakinankaratra. Marihina fa mahatratra 82 ny mpikambana ao amin’ny ORTVA, 11 kosa no isan’ny ao amin’ny filankevi-pitantanana.

Andry N.

Ireo manamboninahitra isan’ny handrindra ny fanazaran-tena. ( sary Andry N.)

Antsirabe

Hisy sarin’ady hiarahan’ny foloalindahy hatao

Omaly no natomboka ny fanazaran-tena  ho an’ny  manamboninahitra mpianatra sy mpianatra ho manamboninahitra ao amin’ny foloalindahy.  Antsoina hoe “FANOHITRA” ity sarin’ady ity  . Ao amin’ny distrikan’Antsirabe II, dia  Andranomanelatra sy Mandray,  no anatanterahana izany. Haharitra 5 andro ny fanazaran-tena. Izany no atao dia mba hampiharana sy hanehoana ny fahaiza-manaon’ireo tanora mandrato fahalalana amin’ny vondron-taranja nandritra ny fianarana teorika tany an-tsekoly. Ankaotra izay, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara rehetra. Sekoly miaramila miisa  5 no mandray anjara amin’ity fanazaran-tena ity, dia ny « Ecole d’Etat-Major » ( EEM), ny « centre de perfectionnement des officiers » (CPO) ny Akademia miaramila, ny ENSOA ary ny SEMIPI, ka manodidina ny 650 no isan’ireo foloalindahy hiatrika ny sarin’ady. Hitarika ny fanazaran-tena ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa, talen’ny sekoly Etat-Major sy ny ny jeneraly Ramasy Razafindratovo Heritiana, kaomandin’ny Akademia Miaramila.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici