Nianika teo ambony tamboho izay tokony ho 2,5 metatra miala amin’ny tany ilay rangahy no nosintomin’ny herinaratra matanjaka. Nentiny niakatra teny ambony mihitsy izay vao nianjera tamin’ny tany. Soaaza fa mba ranony tao ambany ka izay no naha-avotra azy. Omaly maraina no nitranga izany tetsy Antanimenakely-Itaosy. May tanteraka ny lohan’ilay rangahy ary kilaihany koa ny volony. Teo amin’ny tongony no nivoakany herinaratra rehefa niditra teo amin’ny lohany ary soa izy fa mba nanao kiraro raha tsy izany dia mety ho mafimafy kokoa ny fahavoazana. Avotrasoa aman-tsaraihany ny ainy rehefa tonga ara-potoana tao amin’ny hopitaly. Betsaka koa ny efa voan’ny toa izao, indrindra fa ireo olona izay miasa amin’ny fanamboarana trano. Tsy dia isainan’ny olona ny hoe misintonany herinaratra, indrindra fa ny « courant force ». Mila mailo avy hatrany rehefa mahita andrin-jiro ka misy « fil » mikirozaroza ary indrindra koa rehefa misy « fil » izay ambany toerana. Misy mantsy ny olona ny mahatafiditra herinaratra alohan’ny fanamboarana ny trano ary hampiasaina amin’izany indrindra aza no antony. Mitera-doza izany matetika raha tsy misy fitandremana.
D.R