- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara: Olona enina no nisy naka maso hatramin’ny janoary

Toliara: Olona enina no nisy naka maso hatramin’ny janoary

Nanomboka ny volana janoary 2018 no mankaty, olona enina no nisy naka ny masony tany Toliara. Taorian’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’i Eliane, tovovavy 15 taona, hita faty tsy nisy maso havia intsony, ny narain’ny 27 febroary lasa teo, tao Besasavy, ary voalazan’ny rain’ny tovovavy maty fa ny olon-tian’ i Eliane ihany, izay mpianatry ny oniversite Maninday no nanala ny voamason-janany. Tara loatra ny fandraisana andraikitry ny mpitondra any an-toerana, ka tsy nahafaly sady naharomotra ny havan’ny maty ny tsy mbola nandoavana ny onitra nifanarahana, omby 33 isa, mba handevenana ny maty sy ny fiarabe hitondrana ny razana any Tsihombe.

 

Raikitra ny fandrobana. Omaly naraina, dia nidina an-dalambe niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana toy ny antsy lava lela, famaky, pilotra, lefona, kibay, ary vato ireo mpitarika posy avy amin’ny foko Antandroy ao Toliara, foko niavian’ity zazavavy hita faty, ka raikitra ny sakoroka sy gidragidra narahina fandrobana sy fanimban-javatra ary famonoana olon-tsotra tsy manan-tsiny tamin’izay lalana rehetra (Bazaribe, Sanfily, Tanambao, Mahavatsy, Tsienengea, Bazary Sakama hatrany Besasavy) nandalovan’ireo mpitari-posy nitam-piadiana. Raha ny tarehi-marika voaray : olona dimy naratra mafy tsy maintsy naiditra hopitaly.

 

Nirefodrefotra ny basy. Nanoloana ny fihoaram-pefy nisy, dia niditra an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana nandrava ireo mpanao fihetsiketsehana tamin’ny alalan’ny tifi-danitra sy baomba mandatsa-dranomaso. Nirefodrefotra ny basy, ka mpanao fihetsiketsehana sy mpandroba miisa 63 voasambotra, izay tazomina atao famotorana ao amin’ny biraon’ny Polisy. Teo anatrehan’ny tranga niseho omaly, dia nihorohoro tanteraka ny vahoaka, ka lasa tanàna haolo sy maty i Toliara, satria tsy nisy sahy nivoaka ny trano ny ankamaroan’ny mponina. Nikatona avokoa ny toeram-pivarotana rehetra sy ireo sekoly ary ny banky. Sekoly tsy miankina anankiroa ao Andamboly no nidiran’ ireo mpanao fihetsiketsehana, ka vaky nandositra ny mpianatra rehetra, ary tsy naharay na dia ny kitapony aza noho ny tahotra.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici