- Publicité -
samedi, septembre 20, 2025
AccueilFaits-DiversVangaindrano: Rongony 9 kg tra-tehaky ny Polisy, mpibizina roa lahy naiditra am-ponja

Vangaindrano: Rongony 9 kg tra-tehaky ny Polisy, mpibizina roa lahy naiditra am-ponja

Roa lahy nitondra rongony milanja 9kg 300 nafatratra tao anaty gony miloko mavo no tra-tehaky ny Polisy, ny harivan’ny 5 febroary teo, tany Vangaindrano. Araka ny tati-baovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana, dia saika hoentina hamidy any Farafangana renivohitry ny Faritra Atsimo Atsinanana ireo zava-mahadomelina izao sarona izao noho ny fanomezam-baovao mari-pototra avy amin’ olona tsara sitrapo ny Polisy. Nodorana avy hatrany ireo rongony tratra. Taorian’ny famotorana dia natolotra ny fitsarana ireto roa lahy  mpibizina jamala, ary notanana am-ponja vonjy maika miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici