Aina maromaro no indray nafoy tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny omaly maraina. Fiara taxi-brousse iray, izay mampitohy ny renivohitra sy iny faritra Bongolava iny no nivadibadika. Vokany, enina tamin’ireo mpandeha no maty ary olona am-polony maro kosa no naratra mafy. Araka ny fantatra dia vao niala kely ny tananan’i Tsiroanomandidy, handeha hitodi-doha aty an-drenivohitra ity fiara ity io tra-doza io, teo amin’ny toerana antsoina hoe Ankadilalana. Efa malaza ratsy amin’ny fandehanana mafy tokoa ireo fiara mpitatitra mindrana iny lalam-pirenena voalohany iny. Ary tamin’ity indray mitoraka ity dia voalaza fa tena nandeha mafy ilay « sprinter ». Fiholanana be ihany anefa teo amin’io toerana io, kanefa dia mbola tsy nampihena ny hafainganam-pandehany izy. Hany ka tsy tana intsony ny familiana. Nivoaka ny arabe ny kodiarana, ary nitarika ny fivadibadihan’ilay fiara nony avy eo. Nandriaka tanteraka ny rà namonto ny arabe. Niampatrampatra ny vatana mangatsiakan’ny sasantsany tamin’ireo mpandeha. Niisa efatra izy ireo no maty tsy tra-drano. Tao kosa ireo naratra mafy, tapa-tanana, tapa-tongotra, toro loha, goaka kibo. Soa ihany fa mbola tsy lasa lavitra ny tanana no nisehoan’ilay loza. Tonga avy hatrany mantsy ireo mpamonjy, niezaka nanavotra ireo olona sisa velona sy naratra mafy tao anatin’ilay fiara. Nisy roa tamin’ireto farany no namoy ny ainy teny an-dalana, noho ny ratra lalina nahazo azy ireo. Efa tonga teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana nanampy tamin’ny famonjena ireo naratra sy nisikotra ny vatana mangatsiakan’ireo namoy ny ainy tao ambanin’ilay karaokam-by. Efa mandeha moa ny fanadihadiana mahakasika ity loza mahatsiravina iny any an-toerana. Araka ny filazan’ireo mponina any an-toerana tokoa dia mazàna no hitrangàna loza toa izao foana eo amin’io ampahan-dalana io. Ny sasany moa dia milaza fa hoe misy lolo manakana ilay toerana ary rehefa akaiky fety toa izao no mitranga izany. Ny azo lazaina sy iarahan’ny rehetra mahita anefa aloha dia matetika vokatry ny tsy fitandremana ataon’ny mpamily no tena mahatonga izany.
m.L