Isan’ny olana goavana sedrain’ny Jirama eto Toamasina izay miteraka fahasimban’ireo fitaovana efa antitra eo aminy, sy niteraka fahafatesan’olona maromaro ny taona lasa, ary miteraka fahasimban-javatra isan-tokantrano sy fahamaizana trano ihany koa, ny halatra herinaratra izay tena mandany ny 25% hatramin’ny 30% amin’ny vokatra misy eto Toamasina. Nisy ny taona lasa ny fihanianan’ireo mpiasan’ny Jirama manokana misahana ny fanaraha-maso ny halatra herinaratra eto Toamasina. Hitohy izany fanaraha-maso izany amin’ity taona ity, satria ny tanjona eo amin’ny Jirama izao dia ny famerenana ny fanatsarana ny tolotra omeny ny mpanjifany ao anatin’ny vokatra tsara sy ampy ary tsy misy fahatapahana. Ankilan’izay dia efa toky nataon’ny tale jeneraly sy ny talen’ny Jirama Toamasina ny fanomezana kaonteran-jiro ireo mpangataka efa nahaloa vola hatramin’ny taona 2012 no mankaty nefa tsy mbola nahazo izany, manomboka amin’ity volana martsa ity. Raha ny fandaharam-potoan’ny Jirama Toamasina izany dia hapetraka ny volana martsa ireo mpangataka ny taona 2012 tsy mbola nahazo izany, ny volana aprily ireo tamin’ny taona 2013, ary ny volana may sy jona ireo nanao ny fangatahana ny taona 2014 sy 2015. Mandritra izay dia kaonteran-jiro 20 isan’andro no hapetrak’izy ireo, satria manodidina ny 2.500 ireto mpanjifa mpangataka tsy mbola nahazo izany. Ho fanatsarana ny fitaovana ampiasain’ireo hahazo ireo kaontera vaovaon’ny Jirama Toamasina ireo anefa, dia misy ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ireo mpivarotra fitaovana momba ny herinaratra mba hanome ny “manara-penitra” hisorohana ny loza mety hitranga. Ankoatra izay, araka ny fanazavan’ny talen’ny Jirama Toamasina, Toto Jean de Dieu, dia efa nilamina ny zava-nisy teo amin’izy ireo sy ny trano fandraisam-bahiny “Le Neptune”, satria samy nahatsapa ny roa tonta, nahitana ny mpitantanana, sy ny ekipan’ny laboratoaran’ny Jirama avy ao Antananarivo, fa tsy misy ny olana amin’ny kaontera ity raharaha ity fa olana tsy fahalalana.
Malala Didier