Nisesisesy ny fanafihan-dahalo tany amin’ny Faritra Ihorombe, nanomboka tamin’ny faha-16 aprily izany, ka tanàna roa samy hafa no noteteziny. Lasa tamin’izany ny omby maherin’ny 400, tao Soaserana Tritriva, ary 80 tao Bemavo.
Avy hatrany dia niroso tamin’ny fanarahan-dia ireto fokonolona sy ny zandary. Dahalo miisa 7 no matin’ny zandary ary tafaverina tamin’ny tompony ny omby miisa 78 tamin’ny fanafihana tao Bemavo. Tsy nijanona teo fa raikitra koa ny fifandonana taorian’ny halatra tao Soaserana Tritriva. Indroa miantoana izany fifanandrinana izany, ka tao Analatelo Ankilivaho ny farany. Nitambatra tamin’ny namany hafa avy nanafika tany Ranotsara-Nord ireo dahalo, mafy dia mafy ny fifandonana, dahalo miisa 34 indray no lavon’ny balan’ny zandary. Efatra kosa tamin’ireo mpanara-dia ary zandary iray no naratra. Araka izany, tafakatra hatrany amin’ny 41 ireo olon-dratsy maty. Naharitra ora iray sy sasany moa ny fifandonana ary nozarain’ireo dahalo efatra ny dian’omby ka ny sasany mifanandrina amin’ireo mpanara-dia, ny sasany mandroaka ny omby hitsaoka. Mbola mitohy hatrany moa ny fanarahan-dia ireo omby tsy hita sy ny fampandrian-tany any amin’ny faritra mampisaraka an’Ihosy sy Betroka.
Nidina tany an-toerana moa ny Komandin’ny Vondron-tobim-pileovana Ihorombe nijery akaiky ny toe-draharaha ary nitondra “renfort” hanampy ireo zandary efa any, sady nandefa ireo naratra hotsaboina ihany koa.
ALEM