Tsy vao izao no naharenesana fa misy manendaka sy mangalatra entan’olona nentiny ireo mpitondra posy eto Toamasina, indrindra ireo mpandeha amin’ny taksibrosy tonga hariva sy vao maraina eo amin’ny fiantsonan’ny fiara mpitatitra ao Tanambao V sy Ambolomadinika ary Ankirihiry. Saingy ity tranga tao bazary be ny sabotsy teo ity no hafa kely satria tsy ampy ny “versement” amin’ny hofan’ny posy nentiny anefa efa hariva ny andro, dia nivadika mpanendaka ity mpitondra posy iray ity ka sahy nanendaka ny findain’ity vehivavy iray avy nirava niasa hamonjy fodiana. Avy hatrany dia niantso vonjy ity vehivavy voaendaka ity ka raikitra avy hatrany ny fifanenjehana teo amin’ny sy ireo olona sendra nandalo nahita ny zava-nisy, tsy lavitra teo ihany koa nisy mpitandro filaminana manao fisavana an-dalam-be, ka tsy lasa lavitra dia tratra ity mpitondra posy nivadika mpanendaka ity. Nihaiky ny fanendahana nataony izy satria mbola tratra tany aminy ny finday nendahiny, ka raha nisy ny fiakaran’ny fitsarana araka ny fitorian’ilay ramatoa voaendaka, dia miandry fitsarana am-ponja ity mpitondra posy ny alatsinainy teo.
Malala Didier