Olona roa no tratran’ny polisy miady amin’ny zava-mahadomelina teny amin’ny faritry ny 67 Ha, teny amin’ny Tsena’i Bagdad. Naharay vaovao ireo mpitandro filaminana fa misy lehilahy iray eny an-toerana manana rongony. Tamin’ny sabotsy faha-26 aprily, tokony ho tamin’ny 10 ora, tratra ilay olona niaraka tamina rongony 27 kg. R. Herizo no anarany. Rehefa nanontaniany izy dia nilaza fa mpitaona ny entana fotsiny fa vehivavy antsoina hoe R. Angeline no tompony. Mipetraka eny Ankadimbahoaka ilay ramatoa. Nandeha teny ny polisy ka tratra teny an-toerana ny ilay vehivavy, 32 taona. Niaiky izy fa azy tokoa ireo rongony ireo. Avy any Ambovombe no hafarana ireo zavamahadomelina ireo ary amidy aty an-drenivohitra. Omaly no natolotra ny Fampanoavana iroe olona roa ireo.
nangonin’i r.s.