- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFitondrana « cocarde » tsy ara-dalàna : Fiara tsy mataho-dalana iray indray...

Fitondrana « cocarde » tsy ara-dalàna : Fiara tsy mataho-dalana iray indray notazonin’ny pôlisy

Fiara 4X4 pickup iray no voatery notazonin’ny pôlisy sy nampidirina « fourrière » ny talata lasa teo, tetsy Ambohimanarina. Araka ny fanazavana azo avy amin’ireo farany, dia fitondrana « cocarde » tsy ara-dalàna no anton’izay zavatra izay, izay azo sokajiana rahateo ho fisandohana andraikitra. Efa nampilaza tokoa mantsy ry zareo avy ao amin’ny pôlisy, fa hisy ny fisavana ireny fiara ireny, izay toa lasa maro dia maro amin’izao fotoana izao. Mazàna dia manampatra sy manararaotra ny fisian’io jirokely amin’ny lokon’ny sainam-pirenena io ireo fiara, izay matetika tsy mataho-dalana, ka tsy miraharaha mihitsy ny lalana mifehy ny fifamoivoizana. Mazava tsara anefa ny lalàna velona eto amintsika, fa ampahan’olona manana andraikitra ambony eto amin’ny firenena ihany no afaka mitondra azy ireny. Izany indrindra no nahatonga ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena hisava ireo fiara mampiahiahy mitondra izany, ary dia izao nahitam-bokany izao. Raha ity fiara teny Ambohimanarina, araka ny fanazavana azo hatrany, dia tsy nisy afa-tsy ny mampily no tao anaty fiara. Tamin’ny fisavana ny taratasy, dia tsy nahitana taratasy mifanaraka na mamela azy hitondra io « cocarde » io tany aminy. Tetsy andanin’izay, « nozahana ihany koa ny tararatsy mahakasika ny tompony kanefa tsy misy milaza na koa manambara fa olona nahazo alàlana mitondra na mametaka « cocarde » ilay npamily  hoy ny tatitra  tonga taty aminay. Nandraisana fepetra avy hatrany ity fiara ity, ary notanana tsy navela nandeha.  Araka ny fantatra hatrany, dia nanambara ireo teo anivon’ny pôlisy, fa tsy vao io no nisy tranga tahak’io teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny. « Vao volana vitsy monja izay dia efa nisy fiara tsy mataho-dalana iray ihany koa no tratra nitondra « cocarde » tsy nahazoana alalàna ».

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici