- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Vola 9 tapitrisa ariary, lasan’ny mpanendaka

Sambava : Vola 9 tapitrisa ariary, lasan’ny mpanendaka

Nambaran’ny Kaomisera vonjimaika eto Sambava taminay,  fa nendahan’ny mpanendaka ny volan’ny ramatoa iray mpitazona ny vola azo tamin’ny alim-pandihizana ; izay natao tao amin’ny tranom-pokonolona Sambava, ny volana janoary lasa teo iny. Roa lahy ireto mpanendaka volan’olona ireto, hoy izy ka ny iray mpanendaka ny vola ary ny iray mpamily ny moto mpitondra azy ireo mandositra. Teo ivelan’ny tranom-pokonolona no niandrasan’ilay mpamily moto ny namany iray mijoko ny ramatoa mpitazona ny volan’io alim-pandihizana io. Tamin’ny famotorana azy ireo no niaiken’izy ireto ny heloka bevava vitany sady nanambaran’izy ireo fa mpamonjy alim-pandihizana izy roa lahy ary efa tany koa izy ireo tamin’ny alim-pandihizana izay natao tao Ankazomihogo talohan’ny nahatrarana azy ireto. Mpiavy avy any Toliara sady efa nonina tao Fianarantsoa ireo mpanendaka ireo.

REMI, Rakotonirina

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici