Olana iray mbola tsy nahitam-panazavana hatramin’izao eto amintsika, fa “ nahoana no ireo mpianatra izay zaza tsy ampy taona foana no lasibatry ny ambalavelona ? “ Araka ny tati-baovao voaray, kilonga 20 izay mpianatry ny Ceg Ambinanindovoka any amin’ny Distrikan’ Ambalavao, Faritra Matsiatra ambony, no nifandimby nihetsika ambalavelona tao an-tsekoly, tao anatin’ny iray volana. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny talen’ ity sekolim-panjakana ity, Rtoa Josephine, dia ankizy eo anelanelan’ny 11 ka hatramin’ny 17 taona eo ireo voa, ka ankizivavy ny 16 amin’ireo, ary misy amin’ireto farany, hoy ity mpanabe ity nanamafy, no efa in’ efatra be izao nohetsehin’ity aretina tsy mbola ahitam-panafana, azo avy amin’ny herin’ny maizina ity, toy ny tranga nisy ny zoma teo, ka ankizy roa no niara-novelesin’ny ambalavelona mafy. Aretina ratsy azo amin’ny asan-devoly. Ary ireo ankizy rehetra izay mihetsika ambalavelona ao an-dakilasy dia, mirifatra mihazakazaka mafy avy hatrany mankeny amin’ilay trano fivoahan’ny sekoly. Ity Wc ity, araka ny fanazavana azo hatrany, dia nahitana ody gasy mahery nariana tao anatiny, ny taona 2010, ary nanomboka ny taona io no nahitana ny trangan’ambalavelona voalohany, tao amin’ny Ceg Ambinanindovoka, ka niverina nandripaka mafy indray ny aretina tao anatin’ny iray volana. Nomarihan’ity mpanabe talen-tsekoly ity, nandritra ny fanadihadiana natao, fa “ tsy voajanahary ny ambalavelona, ary aretina ratsy tena asan-devoly. ”
Eric Manitrisa