- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka tao Toliara : Misy andian’olona mitaky ny hamoahana an’ireo olona 75...

Sakoroka tao Toliara : Misy andian’olona mitaky ny hamoahana an’ireo olona 75 voasambotra

Nihorohoro indray ny vahoakan’i Toliara omaly, ka nanidy tsena avokoa ny ankamaroan’ ireo mpivarotra matahotra fandrobana, ny tapak’andro naraina, satria nahoraka eran’ny tanàna indray ny feo mandeha naelin’ andian’olona nilaza, fa “ raha tsy havoaka ireo olona  75 voasambotra tamin’ny hetsika fandrobana sy fanimbana fananan’olona tany Toliara, nandritra ny sakoroka ny 9 martsa lasa teo, dia tonga hanafika sy hanao valifaty ireo mpitari-posy sy ny fianakavian’ireo voarohirohy izay mbola tazonina (fonjaina) ao amin’ny “commissariat centrale” Bazaribe “. Raha ny loharanom-baovao voaray, dia efa vita famotorana avokoa ireo olona voasambotra, kanefa hatramin’izao dia mbola tsy natolotra ny fitsarana izy ireo. Raha tsiahivina moa, dia ny tsy fandoavana ny onitra dinam-paty omby 33  tamin’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana zazavavy iray 15 taona, hita faty nihosin-drà tamin’ny làlan’i Maninday, ny 27 febroary lasa teo, no nahatonga ny sakoroka tao Toliara. Teo anatrehan’ity trangan-javatra ity, dia nanao fanambarana ny avy amin’ny Foko Antandroy sy ny fianakavian’ny maty, fa tsy avy amin’izy ireo ireny olona nanimba fananam-bahoaka ireny, ary tompon’ andraikitra feno amin’ izay ataony ireo nanimba zavatra, izay nirahina sy nokaramaina mpanao politika mba hanakorontana sy handroba.

Eric Manitrisa 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici