- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka narahina fandrobana tao Toliara : Olona 63 naiditra am-ponja vonjy maika...

Sakoroka narahina fandrobana tao Toliara : Olona 63 naiditra am-ponja vonjy maika ao Ihosy

Rehefa avy nandalo mpitsara mpanao famotorana tao Toliara, ny alarobia teo, ireo rehetra voarohirohy tamin’ny asa fanakorontanana narahina fandrobana sy fanimbana fananam-bahoaka, nandritra ny sakoroka ny zoma 9 martsa lasa teo, dia nalefa nofonjaina vonjy maika any Ihosy ny 63 tamin’ireo mpitondra posy miisa 75 voasambotra. Nanaitra ny maro ny trangam-pitsarana tany Toliara afak’omaly io, satria tsy tany amin’ny Lapan’ny Fitsarana no nitsarana an’ireo voampanga, fa tao amin’ny biraon’ny polisy. Raha ny fanazavana azo avy amin’ ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana, mba ho fiarovana amin’ny mety ho fihoaram-pefy sy korontana indray no antony nitsarana an’ ireo voampanga ireo tany amin’ny polisy.

Manoloana ny fampidirana am-ponja an’ireo mpitarika posy, nanao fanambarana omaly ny avy ao amin’ny Fikambanana Teraky Androy, izay Foko nihavian’ireto olona 63 naiditra am-ponja vonjy maika ao Ihosy. “ Mba hialana amin’ny ady, dia mangataka amin’ny fitondram-panjakana mahefa izahay Foko Antandroy mba hamoahana faran’izay haingana ny zanakay. “ Nampiaka-peo ihany koa ny FITEA fa mbola tsy voarain’izy ireo hatramin’izao ireo omby 33 isa, izay onitra dinam-paty nifanarahana. Noho ny tsy fisian’ny vahaolana omen’ny tompon’andraiki-panjakana, dia mbola andrasana ao Besasavy Toliara efa ho tapa-bolana mahery aty aoriana namonoan’ny olon-tiany azy tamin’ny fomba feno habibiana ny razan’ilay tovovavy 15 taona, izay tokony halevina an’i Tsihombe Androy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici