#-Ambohidratrimo. « Scooter » nifandona tamin’ny sarety, ramatoa iray maty. Ny marainan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny telo ora maraina, ramatoa iray, izay nentina môtô scooter no namoy ny ainy, rehefa nifandona tamin’ny sarety ity kodiaran-droa nentiny. Naratra mafy kosa ilay nitondra azy. Handeha hihazo an’Ambohidratrimo ny dian’izy ireo tamin’io fotoana io, raha ny fanazavàna azo. Marihana fa teny andalana ho any amin’iny toeram-pitsaboana no namoy ny ainy ilay ramatoa. Tetsy andanin’izay kosa, dia nitsoaka ilay mpitarika an’ilay sarety, izay mbola hifampitadiavana hatramin’izao. Ny zandary avy ao Talatamaty no mandray an-tanana ny raharaha.
#- Fenoarivobe. Voakapa famaly ilay ramatoa, lasa ny basiny. Jiolahy iray no niditra an-keriny tao amina tokantrano iray tany Antazoabe, kaominina Ambohitromby. Nokapain’ity olon-dratsy ity tamin’ny famaky ny ramatoa iray tompon-trano ka naratra mafy. Lasa tamin’izany ny basim-borona tao an-trano niaraka tamin’ny bala enina. Niezaka nanenjika ity olon-dratsy ny fokonolona, saingy nampiasainy ny basy teny an-tanana, ka olona iray no voatifitra. Tafatsoaka araka izany izy io. Mbola manohy ny fikarohana sy ny fanenjehana ireo fokonolona niaraka tamin’ny zandary.
#-Soahazo Toliara II. Dahalo voasambotry ny fokonolona. Dahalo miisa roa nirongo zava-maranitra no nanafika tao amin’ny tananan’ Ankatsaky, ao amin’ny fokontany Analalondo, ao amin’ny kaominina Soahazo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Omby sivy no lasan’ireo olon-dratsy ireto. Nanenjika ireo fokonolona ka dahalo iray no tratran’izy ireo, tafaporitsaka kosa ilay namany. Tafaverina daholo kosa tetsy andanin’izay ireo omby lasa. Nampandrenesina ny zandary ary tonga nanao fanadihadiana sy nanohy ny fikarohana ity tafatsoaka. Nentina nanaovana fanadihadiana kosa ilay voasambotra.
Nangonin’i m.L