- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMahanoro : Lietnà sandoka, mpaka vola amin’ny fifaninanana ho zandary

Mahanoro : Lietnà sandoka, mpaka vola amin’ny fifaninanana ho zandary

Mitety tanàna mihitsy izy ary manao fanamiana mitovy tanteraka amin’ny zandary. Efa nanomboka fantatr’olona aza ny fisiany, satria tsy miafina loatra ny firesahany fa mata-tafiditra izay manam-paniriana ho zandary ny tenany. Nalaza vetivety ny fisian’i Lietnà Clément, satria nisy tokoa ny olona izay roboka tamin’ny fampanantenany. Tonga teny am-poton-tsofin’ny zandary koa ny resaka ary teo no nanomboka ny fanokafana fanadihadiana momba azy. Natao arak’izany ny fikarohana azy, avy amin’ny famaritana nataon’ny olona. Ny toeram-ponenany no hita voalohany. Nandritry ny fisavàna dia dosie  14 no nogiazana voalohany. Mahakasika ireo olona izay nofitahiny ka nahazoany vola izany. Tsy izay ihany fa mbola tratra tao koa ny taolam-paty amin’ny gony. Nitohy ihany ny fisavana izay nahitana ny fanamiana sy famantarana ho zandary. Ny kara-panondron’ilay lietnà sandoka indray, rehefa nohamarinina, dia tsikaritra fa sandoka koa. Hita tao anatin’izany ny anaran’ny jeneraly iray izay malaza. Io no nataon’ilay lietnà sandoka ho anaran-drainy. Voamarina izany teo ny asaratsin’ilay mpisandoka. Natao hazalambo tao an-tanàna amin’izay izy ary sarona ny tolakandron’ny zoma lasa teo. Nanomboka teo ihany ny fihainoana azy tao amin’ny borigadin’ny Mahanoro noho vesatra maromaro. Mazava hoazy fa ny fisandohana andraikitra aloha no mandeha voalohany ary manaraka izany ny fanenjehana maromaro toa ny fosolokiana, ny fampiasàna fanamiana sy galona sandoka, ny halatra taolam-paty. Ary raha mitory koa ilay Jeneraly nolazainy ho rainy dia mbola tantara hafa koa izay. Hivalamparan’ny mpisoloky tanteraka ankehitriny ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana. Eo ihany ny kolikoly fa, ireo izay misoloky tsotr’izao koa dia isan’ny mahafitaka olona maro, ary miverimberina hatrany izany isan-taona…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici