Raha samy nanomana ny fiatrehana ny rivodoza Eliakim ny vahoaka tao Soanierana Ivongo, ny alakamisy nifoha ny zoma teo, dia tsy izay kosa no nataon’ity tera-tany frantsay nikasa hanomana ny diany ho any Sainte-Marie hamonjy ny vadiny malagasy ity, saingy tsy afaka niampita vedety noho ny haratsian’ny ranomasina ka voatery nijanona tao an-toerana, fa mbola naka tovovavy 15 taona izy ; izay naken’ny tompon’ilay trano fandraisam-bahiny izay tokony ho tamin’ny 7ora hariva, ary tsy nivoaka tao aminy ity vehivavy ity raha tsy tamin’ny 8ora sy sasany. Ny zoma maraina anefa, dia naharay antso ny polisy tany an-toerana, fa misy frantsay maty tao amin’ity trano fandraisam-bahiny iray ao Soanierana Ivongo ity. Raha tonga nijery teny ny polisy sy ny mpitsabo, dia voamarin’ny fitiliana natao taminy, fa ny fihinana ireo karazana fanafody manome hery tampoka, karazana “Viagra”, izay mbola hita teo amin’ny latabatra akaikin’ilay fandrina izany fanafody izany no nohanin’ity frantsay ity, ka niteraka fijanonan’ny fony tampoka sy fahatapahana tamin’ny lalan-drany. Tsy nisy nihetsika kosa ny momba momba azy rehetra tao anatin’ny sakaosiny ka nahalalan’ny polisy fa tera-tany frantsay 74 taona avy any amin’ny kaominina Puttelange-aux-lacs frantsa ny fiaviany, saingy nijanona nanambady tera-tany malagasy avy ao Sainte-Marie ny tenany raha nisafidy ny hipetraka eto Madagasikara. Efa nampahalalana ny fahafatesam-badiny ramatoa vadiny ao Sainte-Marie, satria tsy manana havana eto Madagasikara ity tera-tany frantsay ity. Mandra-piandry ny fahatonian’ny ranomasina, dia ao amin’ny tranom-pokonolona any an-toerana no andrasana izy.
Malala Didier