Tora-bato, tifi-danitra ary baomba mandatsa-dranomaso. Raikitra ny sakoroka omaly teo Tribonaly Antsirabe omaly, nataon’ireo olona mitaky ny hamotsorana ireo 19 lahy nosamborin’ny zandary, noho ny fitondràna basy marobe tsy ara-dalana.
Olona an-jatony teo ho eo, avy amina kaominina efatra : Betafo, Soavina, Ambohimanambola ary Mahaiza, izay samy ao amin’ny distrikan’i Betafo no niakatra tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra omaly atoandro. Nitokona sy nitaky ny hamoahana ireo havany, izay voasambotry ny zandary tany amin’iny faritra Betafo iny izy ireo ary nampiakarina teny amin’iny Fampanoavana Antsirabe omaly. Araka ny filazan’ireto mponina nanao fitokonana ireto mantsy dia « tsy olon-dratsy velively ireo 19 lahy ireo fa mpanara-dia omby nalain’ny dahalo. Ireto farany izay tafaporitsaka satria voasambotra izy ireo». Nanamafy hatramin’ny farany anefa ny teo anivon’ny zandamariam-pirenena fa olona mampiahiahy izy ireo ka tsy maintsy nosamborina sy nanaovana fanadihadiana. Ambonin’izay rahateo ny fahatratrarana ireo basy marobe tany amin’izy ireo. « Basy izay marihana fa samy tsy ara-dalana ary tsy tokony ho eny an-tanan’olon-tsotra » hoy ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Tsiahivina fa basy lava vita gasy 16 no tany amin’ireto voalaza fa mpanara-dia ireto, miampy Mas 36 ary basy poleta vita vahiny saingy tsy misy marika.
Vao maraina ireto olona ireto dia nanemitra ny tribonaly, nitondrana ireo olona voarohirohy. Efa niantrana kosa tetsy andanin’izay ireo mpitandro filaminana. Nilamina ihany ilay fitakiana araka ny fanazavàna azo, rehefa nazavaina tamin’izy ireo fa ny zava-nisy. Nivadika anefa ny toe-draharaha raha vao tonga ny fiarabe saika hitondràna ireto 19 lahy. Raikitra ny tora-bato isan-karazany sy ny horakoraka nataona andian’olona vitsivitsy. Voatery nandray fepetra ireo mpitandro filaminana tetsy andanin’izay. Nirefotra indroa ny baomba mandatsa-dranomaso, mba fampitsaharana ny tora-bato sy fanaparitahana ireo olona marobe. Vetivety ihany koa dia nilamina ny teny an-toerana taorian’izay. Marihana fa tsy nisy ny naratra tamin’ireo tora-bato, tsy nisy ihany koa anefa ny voasambotra tetsy andanin’izay.
Fantatra kosa fa nizotra tsara ny fihenoana ireo 19 lahy tao amin’ny Fampanoavana saingy tsy vita omaly avokoa izany, ary tohizana anio raha tsy misy ny fiovàna. Efa milamina kosa ny toe-draharaha any an-toerana hatramin’ny ora omaly nanoratanay.
m.L / Andry N.