Fiara roa miampy moto scooter iray no indray simba. Ny fahasimbana materialy eo ihany fa ny fahavoazana sy ny ratra nateraky ny lozam-pifamoivoizana no tena nahatohina izay nahita. Naratra avokoa ny mpandeha rehetra teny ambonin’ireo fitaovana mikorisa ireo. Ny alin’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany, efa maizina ny andro, no nisy fiara kely marika Peugeot 205 izay nandeha mafy ka nifatratra tany amin’ny moto scooter izay notaingenan’ny olona roa. Teo dia efa nisy ny faharatrana. Fa saingy tsy izay ihany satria mbola tsy tafajanona koa ilay fiara kely izay nifatratra tany amin’ny fiara tsy mataho-dàlana taorian’ilay moto. Na niezaky niala aza io fiara io dia tsy afaka intsony, satria nohitsin’ilay fiara nifanehatra taminy, izany hoe ilay 205 kely. Vokatr’izany dia naratra avokoa ny olona izay voakasik’ity lozam-pifamoivoizana ity. Novonjena nentina teny amin’ny Hjra izy ireo. Teo amin’ny By-Pass PK 13+400, tsy mifanalavitra amin’izay antsoin’ny olona hoe « coca » no nisehoan’ny loza. Lasa miverimberina indray ny lozam-pifamoivoizana eny anivon’ny By pass, indrindra ao anatin’ny orana. Betsaka ny olona mandeha mafy rehefa mahazo iny lalana iny ary mihevitra fa mba mahazo aina kely ny motera rehefa mizotra eny. Saingy ny tsy ampoizin’izy ireo dia tsy izy irery no mampiasa ny lalana satria maro koa ny moto mifamezivezy ary tsy vitan’izany aza fa mbola misy biby fiompy miampita tampoka koa. Raha vao tsy ampy fitandremana araka izany ny mpamily dia mety hitera-doza rehefa mandeha eny an-toerana. Etsy andanin’izay, tsy hilaozan’izay mamo toaka izay mahazo familiana eny amin’ny By-pass satria tsy ny mpivarotra sy toeram-pialàna voly no tsy misy eny. Hamamoana kely miampy lanana tsara sy fiara, izay matetika no mitarika lozam-pifamoivoizana koa eny an-toerana. Tsy lazaina intsony ny fisian’ireo mpifaninana amin’ny hazakazaka fiarakodia izay toa lasa jerena fotsiny nefa eny amin’ny lalam-pirenena…
D.R